Aller au contenu

Fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
Tahan' ny mponina miteny amin' ny fiteny aostraliana

Ny fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia dia vondrom-pianakaviam-piteny maro miampy fiteny manirery maro ao Aostralia sy ny nosy manodidina, afa-tsy i Tasmania. Tsy fantatra mazava ny fifandraisan' ireo fiteny ireo.

Ny ankamaroan' ny fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia dia azo avondrona anatin' ny fianakaviam-piteny pama-niongàna, izay ahitana ny 90 %n' ny velaran-tanin' i Aostralia. Ny sisa hafa dia mitsinjara amin' ny fianakaviam-piteny miisa 27 izay hita any amin' ny faritra farany avaratra.

Fianakaviam-piteny pama-niongàna

Ny fianakaviam-piteny pama-niongàna dia mamondrona ny ankamaroan' ny fiteny aostraliana. Isan' ireo, ohatra, ny fiteny diirbala, ny fiteny kamilaroy, ny fiteny kokok-taiora, ny fiteny martotonira, ny fiteny marto oangka, ny fiteny nanta, ny fiteny pintopy, ny fiteny oalmajary, ny fiteny iankonitjajara ary ny ny fiteny idiny.

Jereo koa

Fianakaviam-piteny lehibe

Vondrom-pianakaviam-piteny