Aller au contenu

Fiteny ao Tonizia

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.

Ny fiteny ao Tonizia dia ahitana fiteny maro, indrindra ny fiteny arabo sy ny fiteny berbera ary ny fiteny frantsay. Amin' ny fiteny maro ao Tonizia dia ny fiteny arabo no hany fiteny ôfisialy araka ny lalàm-panorenana toniziana.

Miteny arabo toniziana ary manao izany fiteny izany ho fitenin-drazany ny ankamaroan' ny mponina amin' izao fotoana izao, fiteny izay ahafahan' ny mpiteny azy sy ny mpiteny arabo magrebina hafa ifankahazoana amin' ny fomba voafetra. Mahay mamaky teny arabo manara-penitra ankehitriny (fiteny arabo literera) - izay ampianarina any amin' ny sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa - ny ankamaroan' ny mponina. Afaka miteny frantsay ny ampahany be amin' ny mponina satria ny fiteny frantsay no fiteny mahazatra amin' ny fandraharahana sy ny fitantanan-draharaha nandritra ny fitondrana frantsay tao amin' ilay faritra.

Mbola ampiasain' ny vondrona tonizina vitsy anisa sasany (an' arivony vitsy) ny fiteny berbera atsinanana, fa amin' izao fotoana izao dia mampiasa ny fiteny arabo ho fiteny voalohany izy ireo.

Jereo koa