Aller au contenu

Bôlsevika

Avy amin'i Wikipedia
Fihaonan' ny Antoko Bôlsevika tamin' ny taona 1920

Ny Bôlsevika dia ankolafy ankavia indrindra ao amin' ny antoko marksista Antokon' ny Mpiasa Sôsialy-Demôkratin' i Rosia, izay notarihin' i Vladimir Lenin, ary ny iray kosa dia ny Mensevika (Menchevik). Amin' ny teny rosiana izy dia atao hoe большевики / bolsheviki, avy amin' ny teny hoe большинство / bolshinstvo, izay midika hoe "maro anisa".

Ny ankolafy bôlsevika dia niforona tamin' ny taona 1903 teo ambany fitarihan' i Lenin. Izy no maro anisa tao amin' ny Antokon' ny Mpiasa Sôsialy-Demôkratin' i Rosia, ka avy amin' izany io anarany amin' ny teny rosiana io, ary lasa antoko nahaleo tena izy tamin' ny taona 1912. Ny Bôlsevika dia nanohana ny fikambanan' ny antokon' ny revôlisiônera matihanina, mifanohitra amin' ny Mensevika izay antokon' ny sarambabem-bahoaka, manodidina an' i Julius Martov, misokatra ho an' ny maro ny fikambanana ao aminy.

Taorian' ny Revôlisiôna Rosiana tamin' ny Febroary 1917, ny Bolsevika dia nandray ny fahefana tamin' ny anaran' ny Sôviety tamin' ny Ôktôbra 1917 ho anisan' ny Repoblika Sôsialista Federativa Sôvietikan' i Rosia. Tamin' ny Marsa 1918, ny Antoko Bôlsevika dia novana anarana hoe "Antoko Kômonista". Taorian' ny niorenan' ny Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika (na Firaisana Sôvietika) tamin' ny taona 1922 dia lasa Antoko Kômonistan' ny Firaisana Sôvietika izy io, ary nanampy hatramin' ny taona 1952 amin' io anarana io ny mpamari-toetra hoe "Bolsevika" (atao anaty fononteny).